Bienvenue amis GASY TIA ALIKA

Posted August 9th, 2009 by Zaka

Dia faly mandray anareo rehetra TIA ALIKA izahay ato @ XENA & TEE. Mino izahay fa hanampy antsika mba hivoaran-tsika rehetra amin’ny maha-olona sy ny hanatsara kokoa ny tontolon’ny alika sy ireo mpankafy azy ny serasera rehetra izay ataon-tsika ato! Ankoatran’ny Forum dia azon-tsika atao ato koa ny mifampilaza vaovao momban’ny hetsika karakarain’ireo namana rehetra, mifampitsikera mba hanaovana tsaratsara kokoa! Tsy adino ireo vaovao mahavariana na mahatsikaiky ary ireo tokony hampieritreritra hitantsika etsy sy eroa (eto Madagasikara), aza adino ny maneho izany an-tsary eto raha azo atao! Dia manantena ny fandraisan’anjaran’ny rehetra e!

Zaka
XENA & TEE

BREVET – Mpandray anjara naneho ny heviny!

Posted August 4th, 2010 by Zaka

Inty misy hevitra sy fomba fijery iray, nasehona mpankafy alika, ary nandray anjara tamin’iny hetsika BREVET sy ECHELON I iny! Tsy misy novaina ny soratra na teboka iray aza!

Vita ny faha 25 ny volana jolay lasa teo ny fifaninanana momba ny alika izay nahitana sokajy roa teo amin’ny fifaninana « alika miasa »dia ireo nandalo ny fitsapana ahazoana « brevet de chien de garde et de défense » sy ny fanalana ny « Echelon I ». Ny tena moa dia isan’ireo nandray anjara tamin’ilay « brevet ».
Tsara ny fifaninanana toy ireny satria ahafahan’ny mpitia alika indrindra mihaona sy mifanerasera. Tsara ihany koa satria ahafahan’ny tsirairay mandrefy ny asa vitany eo ambony kianja ary ahafahana mamariparitra amin’ny ankapobeny ny fivoarana eo amin’ny tontolon’ny fiompiana alika eto amintsika. Araka izany dia tsara raha misy matetitetika ary tokony hisy fivoarana isaky ny mandeha. Raha ilay hetsika tamin’ny faha 25 jolay manokana no asiana resaka dia maro ireo lesoka tokony harenina mba tsy hanakona ny hatsaran’ny fifaninanana. Voalohany aloha ny kianja dia somary tery ihany na tokony mbola afaka nohalalahana aza raha ny fijery azy. Teo ihany koa ny tsy fisian’ny trano fivoahana araky ny tokony ho izy. Ny rehetra moa dia samy nitady izay ahitany rano ho azy sy ny biby fiompiny tany amin’izay nahitany azy. Manaraka izany ny tena tsara ho marihina dia ny tsy fahatomombanana teo amin’ny fitsarana sy ny lalàna mifehy ireo taranja. Raha ny marina dia tokony apetraka mazava dieny mialoha io ary tokony ho fantatry ny mpandray anjara rehetra manomboka any amin’ny mpitsara hatrany amin’ny mpifaninana tsirairay. Raha ny marina izao dia ny lalana an’ny “Ring Français” no tokony narahina tamin’iny. Tsy izay nefa no tena nitranga fa lasa misy zavatra miampy tampoka rehefa anaty kianja ianao dia lasa manontany tena hoe “Ring Français” ve sa “Ring Malagasy” izy ity? Tsy mampaninona mihitsy ny mamorona lalàna; ny frantsay manana ny azy ny belza manana ny azy sns fa aleo hazava dieny mialoha mba tsy hisy ny fiangarana na fahafahana mametraka fitarainana any amin’ny farany ary mba hampadio ny lalao. Tsy misy “ring français” mihitsy ohatra ka hanao “rappel” sy resaka “positions” any amin’ny « brevet ». Ny fitsambikinana dia “haie” iray ihany no ampiasaina amin’ny “échelon” rehetra fa tsy 4 izany. Tahaka izany koa, tsy misy alika roahina ny kianja izany raha nihinana na nilelaka tamin’ny « refus d’appâts” fa dia 0 ny isany amin’io dia manohy ny lalao izy. Ny antony hamoahana alika ny kianja dia satria nanao hadisoana ny mpitondra toy ny fidarohany ny alikany ohatra na ny alika tsy azo tenenina sy/na mety hampidi-doza. Na ny “Homme d’attaque (HA)” aza tsy tokony ho samy nanana ny azy. Izany no mampametra-panontaniana. Teo amin’ny lafiny fitsarana dia tokony mpitsara mahalala tsara sy mahay no nanao izany. Nohiniko tsy niteny hoe za-draharaha satria isika koa vao “miverina manomboka”. Ny tsy mety mantsy dia efa eo ambony kianja ny mpilalao vao mifanontany ireo mpitsara hoe inona no tokony atao? Dia nisy fotoana nihanahana teo ny rehetra. Ny mpilalao mijajirika fotsiny, ny mpitsara miady hevitra ary ny mpijery izay tsy mahalala ny ankamarony midanaka tsy mahafantatra na inona na inona. Vidiana lafo anefa ny fotoana ariana tahaka ireny. Eo amin’io resaka fotoana io dia niaraha-nahita fa maizina vao nirava ary tsy nisy jiro akory tao amin’ilay toerana fa “lampe d’urgence” no nampiasaina. Ny antony dia te hitazona mpijery ve sa tsy fahaizana mandamina tsotra izao? Ny “brevet” sy ny “Echelon” no fototra tamin’iny andro iny. Ny olana dia ny fisian’ny fampisehoana teny antsefatsefany teny izay nisy naka fotoana betsaka tokoa anisan’izany ny “démonstration”. Marihiko fa ity “démonstration” izay tena nibahana ity dia tena vitsy ihany no niavaka fa ny sisa dia zavatra mitovy daholo izay ho hita any amin’ny “échelon” ambonimbony ny vitsivitsy. Ny sasany dia satria ny alika tsy afaka hifaninana noho ny antony maro samy hafa dia aleo atao “démonstration”. Dia mijery “brevet” ihany no atao fa tsy misy poa-basy ohatra na zavatra tahaka izany. Iaraha-mahalala fa tahaka ny atleta sy ny zava-mananaina rehetra dia mety reraka ny alika sy ny mpitondra azy izay tsy maintsy miandry na ny fotoana hiakarany kianja na mandrapahazony ny valin’ny asany. Raha tahaka ahy izay nandalo faharoa teo amin’ny 10 ora
mahery teo ary voatery niandry hatramin’ny 6ora hariva dia tena tsapan’ny valahako sy ny lamosiko ary ny ranjoko tokoa izay fiandrasana izay. Ny fiaretana ny hatsiaka manginy fotsiny. Ny tokony ho izy dia nalefa ny “brevet”,rehefa tapitra dia nanaraka ny “échelon” ary izay vao ireo fampisehoana hafa. Fara faharatsiny natao anelanelan’ireo fampisehoana hafa ilay “brevet” sy “Echelon” . Na ny mpitsara aza nanana fotoana tsara hanaovana ny fanisana fa tsy tamin’ny maizina be iny vao nifampitsilotsilo tao. Izay tsy fetezana ara-potoana izay dia mitondra any amin’ny zavatra hafa izay tsy voaeritreritra dia ny tsy fisian’ny vokatra ofisialy ho an’ny mpifaninana satria dia ny telo voalohany ihany no notononina isaky ny taranja nifaninanana tao ary tsy fantatra ny laharan’ny mpifaninana ambiny. Ny isa moa dia na ireo telo voalohany aza tsy nahazo sy nahalala ny azy daholo. Tadidio fa ny “brevet” ohatra dia misy fepetra takiana vao tokony omen any alike iray. Isan’ireny ny fahazoana isa 80%. Ny alikako izao dia tsoriko fa tsy fantatro na nahazo izany na tsia. Tahaka izay ko ny “échelon”. Nisy ny fizarana “certificat” hoan’ireo mpandray anjara izay tsy hay intsony ny dikany na noho ny fandraisana anjara ve sa io ilay diplaoma “brevet” sa inona fa dia toa nahazo daholo aloha ny rehetra hafa tsy izay vitsivitsy tsy naka toa ahy satria tsy mazava ilay resaka. Manahirana ihany anie ry zareo izany hoe nanala fanadinana tany ampianarana dia hoe tsy voalohany ianao fa tsy farany koa (angamba) fa tsy hay na fahafiry na afaka na tsy ary ny naoty tsy fantatra 0 sa 20/20. Tsy hay akory aiza no diso tokony harenina sns satria tsy fantatra ny fitsinjaran’ny isa. Mipetraka ho azy koa eto ny olana amin’ny tsy fananan’ny alika “carnet de travail” hametrahana ny naoty sy ny fanamarihana isan-karazany.
Hamaranako azy dia tsara kokoa angamba raha misy fivoriana mialohan’ny fotoana eo amin’ny mpandray anjara rehetra amin’ity taranja ity mba hahalalana sy hampazava ny tokony atao sy hahafahana mandray ny hevitry ny maro. Tsy izaho akory no mahay indrindra momba ny resaka alika ary tsy ianao ihany koa fa ny fitambaran’ny fahaizana sy fahalalana ary ny hevitra no havitana sy hananganana zavatra tsara. Soa lavo hahay hamindra. Amin’ny manaraka angamba ho hita ny fivoarana. Niniako tsy noresahana mihitsy ny momba ny “hatsaran’alika” sy ireo alika tsy tokony hiakatra ambony kianja nefa nifaninana fa mety tsy ho angadiko iny ary mbola mety hampisy ady hevitra lava be ka aleo avela hoan’ny mpahalala azy. Mbola lavitra ny lalana ho diavina vao ho tonga amin’ny fanarahan-dalana = fanaraham-penitra ny momba ny alika eto ka aleo dieny izao dia mivonona mba tsy ho reraka antenantenany. Mbola resaka hafa ny amin’izay.

Hetsika eroa hetsika etsy toa fopla daholo izy izany!!!

Posted August 2nd, 2010 by Revialika

Toa tsy hita ihany izay fivoaran’ny resak’alika eto Madagasikara! Toa ny mpanao laza masaka no toa mitombo ampitoerana! Lany andro miady hevitra sy mifanampempo fotsiny! Ny alikan’iza no tena milay ary ny an’iza no tena ratsy? Ny alika baombina, ny mpitsara fosika, izay mivarotra anefa toa samy milaza fa ‘haute lignee”top qualite’izay nividy koa toa tsy vitan’ny hoe mionona amin’izay fa milaza fa babany avokoa, nefa ny fahalalana 0 (zero)! fantaro fa ireo akama mandoka ny alikanao anie ka….vao modina ianao dia alika ratsy tsy misy ilana azy ny anao e! Mampalahelo ery ny mijery ireto ‘mpi-boost’ alika, satria izay sisa no hahafahana mandafo azy. Ary ny standard tsy misy miraharaha, Amstaff tahakan’ny latabatra ve no lazaina fa ‘gros gabarit’, dia miesona ery ny kely saina (fa be vola)! Misy standard mipetraka anie ny alika e, ary tsy ny poulet ihany no azo atao ‘de chair’! Atao inona amstaff 20kg a 3 mois nefa ho 23kg rehefa adulte, raha tsy maty alohan’ny fotoana? Toa samy mirehareha fa ‘PUR’S’ daholo nefa samy tsy misy pedigree na ny iray aza! Ny LOM foana no kianina etsy sy eroa, kanefa toa avy any daholo ny ankabetsahany, sa taiza? Raha te hanana ‘PUR’S’ ry akama dia manafara LOF a, tsy misy hiady hevitra amin’i toi eo rehefa izay no misy! Ary tandremo sao dia LOF provisoire fa tsy miteny izany eo imason’ny tena passionne an! Misy milaza fa misy alika efa nahazo prix de beaute nefa tsy pedigree, ndriiiii ry tony e! Tetsy amin’ny concours nataon’ny gendarme angamba izany na ilay tetsy amin’ny foire vidy varotra! Alika tsy miakatra ringa akory ireny raha ny norme no jerena! Aza mifamahan-dalitra ra zoky fa taiza no nisy dogue allemand male 16 mois nefa 65cm au garrot a? Ary taiza no nisy Dogue allemand arlequin na merle nefa tsy manga ny masony? ary taiza no no nisy arlequin 30% ny couleur noire nefa tsy defaut? ary avy aiza no nisy an’izany sofina dogue allemand no-taillena ho papillon izany? Connaisseurs daholo ry zalahy ny 80% ny olona tonga teo a! Iza no miseho mampianatra ny tsy mampitovy ny pittbull sy amstaff? mpivarotra alika angaha ianao sa tena manam-pahalalana? Amidio ny alikanao ry tsamy dia tangosy ny volan’ny kentrina sy donto, dia fahano azy ny hoe haute lignee sy top qualite ary gros gabarit, dia rebirebeo izy rehefa mitaky ny pedigree! Tsy efa izay foana ve moa ny fomba fiady e? Tsy lazaina intsony irony alika efa 3 taona vao natao ‘primo’ (izay no hita any amin’ny carnet de vaccination), fa na ho ela na ho haingana dia ho ataon’ny kil fihomehezana daholo ireny olana kely saina fa be vola ireny!
Tohizo ny fanaratsiana ny ACYM, dia manafara milay be, tandremo sao dia hoe; alika ‘nietsenaina tetsy Bankok na novidiana teny amin’ny refuge na hoe azo tany amin’ny vazaha handeha hody an! Fika efa tsy mandaitra intsony izany!
A bon entendeur, salut!

Nahafinaritra sady nirindra tsara ny fampisehoana izay nokarakarain’ireo Maitres chien nivoaka tao amin’ny zandarimariam-pirenena malagasy. Raha noharina tamin’ilay tamin’ny herintaona, izany hoe ilay andiany voalohany aloha, dia betsaka ary hita sy tsapa tanteraka ny fivoarana. Araka ny resaka fohy nifanaovanay tamin’i kapiteny Doda Andriamizana, izay tompon’andraikitra tamin’iny hetsika iny, dia tena efa niezaka sy nanao izay mety mihintsy ry zareo mba hanatratra ny fenitra iraisam-pirenena izay takian’ny diplaoma ho an’ny alika tahakan’ireny. Raha ny fahitanay izay nitranga moa dia mino sy manantena izahay, tahakan’ireo mpanatrika marobe tonga tao fa tsy ho ela dia ho tratra izany fenitra izany ! Matihanina kokoa ireo Maitres chien, ary na ny cynophile tsotra izay nandray anjara tao aza dia misy ny nahavita ny tsy nampoizina, anisan’izany i Tsirofo (Langefx) izay nitondra an’i Dallas (LOF), Berger Allemand noir.

Toy izao ny vokatra azo, izay tena nanaraka mason-tsivana hentitra fa tsy hoe nanaovana marimaritra iraisana mba ahazahoana diplaoma fotsiny, araka ny filazan’i kapiteny Doda Andriamizana.

Participants : 42. Démonstration : 12. Défilé de races : 14. Chien de défense 13  Admis 5 Echelon I : 3

Teo amin’ny DEMONSTRATION dia bâtard (mitovitovy amin’ny Amstaff izay izy)  avy any Antsirabe no nandrombaka ny voalohany, Buggy no anarany

Teo amin’ny DEFILE DE RACES kosa dia lasan’ilay Coton de Tuléar an’I Bera ny voalohany.

Ny nahazo ny naoty ambony indrindra kosa teo amin’ny ECHELON I dia I Bond, Berger Malinois an’ny ZEUS Security, izay nahazo 191/200, ny nanaraka azy dia I Vidock, Berger Allemand, an’ny Mickael (UNIVERS CANIN) sy Bainina, Berger Allemand, izay zanak’I Vidock ihany, saingy kosa an-dry zareo ZEUS Security

Raha toa ka efa nampoizin’ny maro ireny vokatra ireny dia teo amin’ny resaka concours de beaute kosa angamba no somary manahirana ihany satria, ny tsy fananan-tsika Malagasy tena traikefa sy fahalalana feno dia somary nahatsikaiky ihany, satria voalohany aloha dia maro be ireo alika tsy nanana pedigree nandray anjara tao, kanefa raha ny fenitra iraisam-pirenena no jerena dia izay aloha no fototra voalohany tsy maintsy hiangana, fa tsy ny fandokafana ho lasan-ko vavany ataon’ny tompony akory no midika inona, na inona na inona aloha filaza dia tsy misy afa-tsy ny PEDIGREE irery  ihany no antoky ny maha- pure na tsia ny race iray. Izay fototra tokana tokony tsy maintsy hiaingana! Izay no nahatonga ny alika sasany izay raha ny tokony ho izy dia tsy tokony niakatra ringa akory!

Atao ahoana moa fa izay aloha ny zava-misy eto Madagasikara, fa dia manantena ny fivoarana tsikelikely eny ny rehetra, mba rehefa any aoriana any mba ny tena izy no jerena fa tsy hilaozan-dry Ikoto sy Bozy mpijery mifanaratsy ampitoerana fotsiny!

Na izany aza dia mendrim-piderana ny ezaka rehetra natao, fa araka ny filazan’I Dagoly (Forum & Actualite) izay hoe: ‘Izay tsy manao ihany no tsy hivoatra’ izay ampianay koa hoe raha tsy misy koa ny mpanakiana tsy ho tsaratsara kokoa ny vokatra!

JOURNEE VETERINAIRE

Posted July 27th, 2010 by Zaka

Les journées du 30 avril et du 1er mai n’ont pas été de tout repos  pour les étudiants du Département vétérinaire de la Faculté de Médecine de l’Université d’Antananarivo. En effet, l’Association des Étudiants en Médecine Vétérinaire de Madagascar ou AEMVM, avec le concours de nombreux partenaires,  a célébré à sa manière la fête du travail en organisant les «  Journées vétérinaires ».

Une conférence a été organisée la première journée pour les étudiants, axée principalement sur la profession vétérinaire.

Le Samedi 1er mai, une manifestation canine a eu lieu au sein même du Département à Ambatobe. Cette démonstration, coorganisée avec la communauté Gasy Tia Alika, bien que n’ayant pas eu l’effet escompté sur le public, a été un grand pas pour les organisateurs dont c’est la première organisation (on pourra bien  leur pardonner l’imperfection de l’organisation !). Durant les 2 heures de démonstration, 11 races de chien parmi les nombreuses races existantes ont été présentées aux étudiants, afin que les futurs vétérinaires du pays prennent connaissance des différentes races présentes dans la Grande Ile. Le défilé a été scindé en 2 parties : la première a été consacrée au défilement des chiens inscrits dans des Livres des Origines ; la deuxième aux chiens non inscrits mais qui n’en sont pas moins des races pures.  Les Étudiants ont pu apprécier le port de tête arrogant du Dogue Allemand représenté par Hogan issu de l’Élevage AlltagsKaiserWacht, dit l’Apollon des chiens ; Bugs des Passagers du Vent dit Bugs, un Terre-Neuve géant issu de l’Elevage des Oursons des Champs de Maïs  et bien sûr notre Coton de Tuléar national représenté par Diab’less  et bien d’autres encore.

Hogan de l'AllTagsKaiserWacht, un mâle de 9mois

Les « Journées vétérinaires » ont pris fin avec une soirée de clôture au Pic vert Ambatobe. L’AEMVM tient à remercier toux ceux qui de loin ou de près ont contribué à la réalisation des ces rassemblements.

GasyTiAlika et les Terre Neuve de Serge

LES CHIENS ET LES JUGES D’EXPOSITION

Posted July 27th, 2010 by Zaka

Selon les règlements de la Fédération Cynologique Internationale, le juge doit être, selon Les directives élaborées les 17 et 18 mars 2007 à Turin lors de la réunion de la C.U. de la F.C.I. et approuvées à l’unanimité :
Art2 : Pour pouvoir être accepté dans ce pool des juges, le candidat devra présenter un C.V. canin récent faisant apparaître son activité pratique dans le sport canin (chiens formés et présentés), ses fonctions cynophiles et ses prestations en tant que juge jusqu’à ce jour.

Art3.C : Un juge ne peut être nommé que s’il a participé à un séminaire de juges de la FCI et avant la limite d’âge (70 ans).

Et encore selon le règlement approuvé par le Comité Général de la FCI à Berlin le 31 octobre 2007 qui a entre en vigueur le 1er janvier 2008. Conditions minimales relatives à la demande pour devenir juge d’expositions ainsi qu’à la formation, les examens et la nomination des juges d’expositions

(…) Il est du ressort de chaque Organisation Cynologique National (OCN) de dispenser à ses candidats les cours nécessaires pour que ces derniers reçoivent une formation suffisante, de préparer les examens adéquats et de prendre en charge la nomination officielle des juges d’expositions.
Les OCN doivent prévoir un programme de formation de base satisfaisant afin que les candidats maîtrisent les sujets repris dans ce paragraphe 2. Les candidats-juges doivent avoir la possibilité de suivre ce programme de formation de façon fréquente. (…)
Ce programme devrait être suivi par les candidats avant qu’il ne leur soit demandé de se soumettre à un examen écrit.

Afin d’être reconnu par la FCI comme juge d’expositions internationales, le candidat passant des examens pour sa toute première race doit satisfaire aux conditions suivantes : (…)
b. Au moment de sa demande pour devenir candidat-juge pour une ou plusieurs races, le futur candidat doit prouver qu’il a, auparavant, exercé des activités d’éleveur disposant de son propre affixe enregistré et qu’il possède des chiens inscrits au livre des origines de son pays
(…)
d. Le comité officiel d’évaluation (nommé par l’OCN du candidat) doit faire passer au candidat un test préliminaire écrit lui permettant de démontrer qu’il possède des connaissances suffisantes dans les matières suivantes :

1. Anatomie, morphologie et mouvement des chiens
2. Génétique, santé et tempérament
3. Connaissance du (des) standard(s) de race(s)
4. Comportement du juge, principes et techniques de jugement
5. Règlements nationaux d’expositions et autres règlements nationaux
6. Règlements des Expositions de la FCI, le présent Règlement de la FCI pour Juges d’Expositions et autres règlements.

Le candidat doit “REUSSIR” le test écrit dans son ensemble.

e. Une connaissance approfondie de la race (…) un juge qualifié doit maîtriser parfaitement le standard de race de la FCI afin de prendre une décision basée sur la connaissance de la race jugée.(…)

QUANT AUX CHIENS
Les qualificatifs donnés par les juges doivent répondre aux définitions suivantes :
EXCELLENT – ne doit être attribué qu’à un chien se rapprochant de très près du standard idéal de la race, présenté en parfaite condition, donnant une impression d’ensemble harmonieux et présentant un tempérament équilibré, ayant “de la classe” et une allure brillante. La supériorité de ses qualités vis-à-vis de la race permettra d’ignorer quelques petites imperfections mais il possèdera les caractéristiques typiques de son sexe.
TRES BON – ne sera attribué qu’à un chien parfaitement typé, équilibré dans ses proportions et en condition correcte. Il lui sera toléré quelques défauts véniels, mais non morphologiques. Ce qualificatif ne peut récompenser qu’un chien de qualité.
BON – doit être attribué à un chien possédant les caractéristiques principales de la race mais accusant des défauts, à condition que ceux-ci ne soient pas dissimulés.
SUFFISANT – est à attribuer à un chien suffisamment typé, sans qualités notoires ou pas en condition optimale.
DISQUALIFIE – doit être attribué à un chien ne correspondant pas au type requis par le standard de la race, montrant un comportement manifestement contraire au standard ou un comportement agressif, présentant une anomalie testiculaire, des manquements dentaires ou des manquements au niveau de la mâchoire; à un chien dont la couleur du poil et/ou de la robe est imparfaite ou à un chien montrant des signes d’albinisme. Ce qualificatif s’applique également à un chien si peu typé que sa santé est menacée. Il doit en outre être octroyé à un chien présentant des défauts éliminatoires tels que définis dans le standard de la race. Les chiens ne pouvant prétendre à l’un des qualificatifs ci-dessus ne pourront pas rester dans le ring et se verront octroyer le qualificatif suivant :
NE PEUT ETRE JUGE : ce qualificatif est attribué à un chien qui ne bouge pas, saute sans arrêt sur son présentateur ou tente de quitter le ring rendant impossible toute appréciation du mouvement et de l’allure. Il s’applique également à un chien qui refuse constamment de se laisser examiner par le juge, rendant impossible l’évaluation de la dentition, de l’anatomie et de la structure, de la queue ou des testicules. Sont également concernés les chiens chez lesquels le juge détecte des traces d’opérations ou de traitements destinés à le tromper. Ce qualificatif est également valable lorsque le juge a de fortes raisons de penser que des opérations ont été pratiquées, visant à corriger la condition originale du chien ou ses caractéristiques (par exemple : paupière, oreille, queue). La raison pour laquelle un chien reçoit ce qualificatif doit être mentionnée sur le rapport du juge.
Ces textes peuvent être consultes sur le site de la Fédération Cynologique Internationale (FCI), ils ont été copies et colles sans modification.

EVENEMENT KIVAH – UNE ETAPE POUR UN BON EXEMPLE

Posted April 16th, 2010 by Zaka
Confort et securité

Confort et securité

Concernant les normes de sécurité, l’événement KIVAH affichait un très bon exemple et l’espace en guise de ring n’en était pas moindre! Selon nos reporters, c’était  seulement  au niveau de l’organisation (différence entre le prix d’entrée de 10.000 Ar, 15.000Ar et les invitations)  qui a pose quelques embrouilles, mais qui ont été aussitôt  oublie puisqu’en général c’était le meilleur show canin depuis la dernière manifestation canine organisée par l’ACYM en 2006 devant le JUMBO SCORE  de Tanjombato! Un show organisé par des véritables pros sur lesquels  les futurs organisateurs de  manifestations pourront  prendre  exemple. Tout le  monde était  satisfait et a pu contempler les différentes races de chiens dans tous leurs  aspects! Les défilés et démonstrations furent  simples mais de qualité et le message était clair, ‘ une saine et  bonne alimentation  assure un bon chien, bien dans sa peau, intelligent et agréable a regarder! Notons que seuls les chiens consommateurs de croquettes ROYAL CANIN ont pu monter sur le ring !

Nous espérons qu’au prochain événement KIVAH,  Herve et Pascale de Royal Canin  ne manqueront pas de nous surprendre  vu que  beaucoup  de GASYTIALIKA ont raté cette première édition!

Journées vétérinaires

Posted April 8th, 2010 by Zaka

Chers tous,

Dans le cadre des « Journées vétérinaires », l’Association des Étudiants en Médecine Vétérinaire de Madagascar (AEMVM) organise, en collaboration avec la communauté du Gasy Tia Alika, une manifestation canine.

L’objectif premier de cette manifestation est de donner aux étudiants vétérinaires l’occasion de voir puis de reconnaître toute les races de chien existantes à Madagascar, afin de mieux les soigner. Cette manifestation a ainsi un but seulement pédagogique.

Ci-dessous les détails :

Date : Matinée du Samedi 1er mai 2010

Lieu : Département vétérinaire (DESMV) Ambatobe (100 m à droite du Lycée français, vers cité Bellevue)

Début : 9h

Programme : Défilé de différents chiens de races (races pures) diverses.

Conseils des Docteurs vétérinaires pour ceux qui sont intéressés.

Pour ceux qui veulent faire participer leur chien au défilé, veuillez visiter le site du Gasy Tia Alikahttp://www.gasytialika.com pour vous inscrire, selon les conditions et critères requis dans le site.

Cette manifestation n’a aucun but lucratif. L’AEMVM ne sollicite aucun frais de votre part. Tout le monde peut participer selon toujours les conditions et critères dans le site. Toutefois, pour pallier aux dépenses faites lors de l’organisation, l’AEMVM fixe le prix d’entrée pour tous à 2000 Ar.

Que vous veuillez faire participer votre chien au défilé ou que vous veuillez juste assister à la manifestation, nous serons honorés de votre participation à cet événement et nous vous remercions déjà de votre encouragement.

Pour plus d’informations, n’hésitez pas à nous écrire ou à visiter le site Gasy Tia Alika !

Bien à vous,

Zoavina

AEMVM

KIVAH – Evenement Canin de Madagascar

Posted April 2nd, 2010 by Zaka
Le casting du 13 mars dernier

Le casting du 13 mars dernier

Et voilà, un autre évènement canin, mais cette fois ci, organisé par la marque mondialement connue ‘ROYAL CANIN’! Ce dernier a été déjà annoncé lors de la manifestation organisée par BESTFRIENDS à Analamahintsy. Cette fois ci,il aura lieu dans l’enceinte de la Zone ZITAL Ankorondrano au Centre de Formation Cynophile de ASSIST SECURITY de 9h00 à 12h00.Au programme il y aura un défilé de races, dont le casting a été déjà fait le 13 mars dernier dans ce même lieu et  dont les participants sont uniquement les clients de ROYAL CANIN, qui s’y inscrivent au moment de l’achat des croquettes ! Quant au public ,un ticket d’entrée de 10.000 – 15.000 ariary leur ouvrira la porte pour le 05 avril prochain!Pour cette manifestation, le public, du moins ceux qui vont venir, espère que le tandem ‘Grande marque + Centre de Formation Cynophile’ ne decevra  personne. Les deux entités ont été presentes lors de la dernière manifestation, l’un en introduisant l’evènement du 05 avril et l’autre dans le ring de la demonstration des races! Ils ont vu et vecu ensemble toutes les mauvaises experiences de ceux qui pretendaient être des ‘PRO! Nous espèrons vivement que ce centre de formation cynophile ne ternira pas l’image d’une des grandes marques de corquettes, pour des coup de laisse et de coup de gueule!

BESTFRIENDS – KIANA HOAN’IREO MPANDRAY ANJARA

Posted March 25th, 2010 by Zaka

Na dia tena tanora sy nanana fahavononana ary tsara fanomanana aza ny BESTFRIENDS dia ireo mpandray anjara milaza azy fa ‘Pro’ indray no manondrana ! Voalohany aloha, asa na nahita hoe mbola boay kely ireto mpikarakara na ahoana fa na dia nanoro hevitra aza ve dia tsy nataon-dry zalahy, izay tsy hoe vao izay vao nanao demonstration ?

Ohatra tena goavana amin’izany ny aro-loza ho an’ny mpijery izay tena marefo dia marefo kanefa ireo alika nampanaovina tsy hoe tena manaram-penitra be amin’ny resaka fahazoana baiko ! hita tao avokoa mantsy na alika sarotra tenenina, na tenenina mafy sy treromina vao manaiky, ary nisy mihintsy aza tena niafara tamin’ny kapoka (coup de laisse in-20 te amin’ny orona fara-fahakeliny), tsy lazaina intsony ireo tsy mahandry ‘tour’ fa dia mivovo sy mitabataba tsy azo tenenina raha mbola tsy anjarany akory no miseho, tsy mila tantaraina intsony fa niaraha-nahita ireo tsy miandry baiko dia efa mamely . Ankoatran’ireo rehetra ireo dia ny goragora sy tsy firarahiana ataon’ireo maître chien, toy ny ‘costume d’attaque’ tsy manaram-penitra fa rehefa voafono toy ny ao anaty gony ilay ‘homme d’attaque’ dia mety, hany ka nisy mihintsy ny voakaikitra ! ankoatran’izay dia mbola tao koa ny manao  ’demonstration’ ivelan’ny ‘ring’ ! Sa ve isika hiandry ‘accident’ vao  handray andraikitra ?

DSC01065

Dia ahoana ny aro-loza ho an'ny mpijery amin'izao?

Ankoatran’izay dia somary nahatsikaiky ny maro ny nijery ireto lazaina fa ‘juge de chien’, inona marina ny tena fahaizana na fahalalana manokana hananan’izy ireny no dia hanana zo hitsaratsara alika ?  Raha mba azo noleferina ilay alika mbola azo atao hoe ‘de type dogue de bordeaux’ ‘na ‘de type boerboel’  (arakarak’izay tian’ny maso hojerena sy ny saina hinoana io), dia tena niteraka resabe sy nampivanitika (anaty) ny maro ny nahita ity alika lazaina fa hoe ‘Epagneul Breton’ izay tsy nisy tsy nahalala fa raha tamin’ny 8 volana lasa io alika io dia nolazaina fa ‘St Bernard’ ! Ilay tompony tsy mahafantatra ny racen’ity alikany tsy maninona, fa ireto milaza fa ‘juge de chien’ tsy mahalala akory izay alika hotsarainy no tena loza, sa hoe rehefa mandoa vola (satria mandoa vola izay te-hidéfile) dia ekena daholo izay lazain’ny tompony fa karazan’ilay alika ? Tao koa ohatra ireo mpivarotra alika, izay mba nandray anjara tamin’ilay défilé, ka manely tsaho momba ilay alika ho amidy, toy ny hoe raha alika efa 3 taona sy tapany ohatra dia nolazaina fa vao 18 volana Mampalahelo dia mampalahelo fa raha ho fampahalalana ny olona ny atao hoe alika no tena tanjona dia toa lasa fanoroana vohona no betsaka ! Ohatra :

-          Fampanaovana alika hanao ‘attaque/defense’ kanefa tsy mahay ny         obeissance de base akory

-          Ny famelana ireo mpisandoka race hanao défilé ka sady hamita-tena izy no hamitaka ny hafa

-          Ny tsy fanajana ny fenitry ny aro-loza na ho an’ny mpandray anjara na ho an’ny mpijery

Tena mbola ho ela izy ity ry zalahy, kanefa isika ity toa raha tsy miady an-trano dia mifampanoro-vohona ! Tadidio anefa fa tsy misy afa-tsy ny hadondronana no azo hifaninanana !

DSC01077

Niala tsikelikely ny mpijery fa toa mi-scène fotsiny ireto lazaina fa 'PRO'

L’UTILE A L’AGREABLE SELON ‘BESTFRIENDS’

Posted March 18th, 2010 by Zaka
Les organisateurs de la manifestation

BESTFRIENDS

Malgré un début de ‘temps de chien’, le groupe ‘BESTFRIENDS’ a quand même réussi leur pari, en choisissant la manifestation canine comme objectif en matière d’organisationnel. Etudiants  de l’Institut National des Sciences Comptable et Administration d’Entreprise (INSCAE), les trois amis, ont préférer choisir un thème original et hors des sentiers  battus comme travail de groupe à présenter à l’INSCAE. Le travail est dur, puisqu’en choisissant la manifestation, il faut non seulement de la motivation mais  aussi un fort tempérament, muni des connaissances

Berger Malinois en pleine demonstration

Berger Malinois en pleine demonstration

techniques sur le domaine de la communication  à persuader les participants et les visiteurs ! ‘BESTFRIENDS’ étant jusque la ,inconnu du public cynophile a mérité plus que des applaudissements en faisant venir a leur manifestation, aux environ de 1000 visiteurs, et  a faire participer  des éleveurs  très connu tels que ; l’UNIVERS CANIN et MALIXDOG, la marque mondialement connu de croquettes pour chien, ROYAL CANIN, l’Association des Maitres Chien de la Gendarmerie Nationale (AMCGN), des agences de sécurité employant

Le Berger Allemand noir

Le Berger Allemand noir

des chiens comme PRO GUARD et ASSIST SECURITY et le premier et seul magazine canin malgache ALIKAMAG ! Du côté des chiens, plusieurs races y ont été présent es : le Newfoundland du Canada (Terre-Neuve), le Berger Allemand, Berger Malinois (ou Belge), Rottweiler, American Staffordshire Terrier, Dogue allemand, Dogue Argentin, Coton de Tuléar, Boerboel (Afrique du Sud), Carlin, Bullmastiff et des soi-disant ‘épagneul breton’ et ‘ dogue de bordeaux’, soit  à peu près une cinquantaine de chiens d’une douzaine de variété de races !

  Terre-Neuve de 2 mois

Terre-Neuve de 2 mois

Pour une première manifestation, organisée par des cynophiles non-professionnels et dans un cadre d’études, BESTFRIENDS méritent beaucoup plus qu’une mention !